Resaky ny mpanara-baovao rehetra nandritra iny faran’ny herinandro iny ny fanambarana navoakan’ireo mpikambana ao amin’ny Sefafi, na ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena, izay tsorina fa fitsikerana henjana dia henjana ny nataon’ny mpitondra nandritra izay enimbolana naha teo amin’ny toerana an-dry zareo izay. Henjana dia henjana ny nahitana ny fitsikerana, na ny fanakianana, kanefa rehefa nodinihina dia saika ny efa nolazain’ny mpanao gazety teto an-toerana ihany ireo nolazaina sy nohamafisin’ny Sefafi ireo. Tsaroan’ny rehetra anefa ny “fanakianana”, mba tsy hilazana ny hoe “fanenjehana”, nataon’ireo mpitondra ny mpanao gazety, raha nilaza ireo “tsy fahombiazana” ireto farany. Izany indrindra no mampametra-panontaniana hoe hatao ahoana indray àry izany io Sefafi io ê?... Hatao ahana io Sefafi io?... “Sarotra ny fandidiana”, hoy ny fitenenana. Sarotra tokoa ny fandidiana ho an’ny mpitondra fanjakana, satria… hatao ahoana moa no hitsipaka na hanakiana ireo zava-boalaza izay hita fa marina dia marina ireo ê? Mbola sarotra mihoatra izay koa aza ny mety hanasoketana an’io fikambanana io, raha izay no hoheverina hanadiovan-tena, satria iarahan’ny rehetra mahalala fa naka olona roa avy amin’io, notendreny ho minisitra io governemanta amin’izao fotoana izao io.