no nameno ity toerana ity. Nisy ny mpiasan’ ny fitsarana izay tafaresaka taminay no nitaraina fa karazana fanerena ankolaka ihany no natao tamin’izy ireo hanatrika ity fivoriana ity satria dia natao amin’ny anarana manokana ny fanasana. Toa izany koa ny tale sy ny sampandraharaha maro tonga teo. Nilaza izy ireo fa nasaina ka tsy maintsy tonga satria ny antokon’ny filohampirenena no miantso ka sao misy fiantraikany amin’ny asa sy ny toerana. Raha ny voalazan’ireo olona izay tafaresaka taminay dia efa manana ny antoko misy azy avokoa ireo mpivory ireo nefa dia mety hisy ny fivadihana satria ny HVM hoy izy ireo dia antokon’ny filoha sy ny mpitondra ka hanahirana ity raharaha ity. Fanontanina mipetraka tokoa ny haha antoko matanjaka ity HVM ity satria dia efa mizarazara amin’ny antoko maro ny olona. Loabary an-dasy no nifanaovana tamin’ny vahoaka tonga nanatrika mahakasika ny fitondram-panjakana sy ny momba ny antoko. Maro ny tsikera azon’ity antoko HVM ity tamin’izany, nefa dia nambaran’ny filohany fa ilaina izany ary mahazaka tsikera izy ireo. Milaza moa ry zareo ireto fa ny hahazoana ben’ny tanàna maro no tanjona mba hahamafy orina ny fitondrana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Efa tafatsangana koa hoy izy ny vondrona parlemantera ao amin’ny antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Marihina fa tsy manana depiote voafidy izy ireo tamin’iny fifidianana iny nefa dia izao manana vondrona parlemantera izao indray hono. Mahagaga e!