Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny anaran’ny Tale jeneraly vaovaon’ny Bianco ka mpitsara no notendren’ny filohampirenena hisolo ny jeneralin’ny zandarimaria, teo amin’ny toerana teo aloha. Betsaka, araka izany, ny resaka mandeha, ary dia efa misy sahady no “sahy” mitsikera an’io fanendrena io. Tsy tokony ho olona avy ao amin’ny Fitsarana, hono, no napetraka eo amin’io toerana io, satria ny Fitsarana dia anisan’ny voalohan-daharana amin’ireo sampan-draharaha anjakan’ny kolikoly.