Ny voamariky ny mpanaraka ny raharaham-pirenena anefa dia ny hoe ny tsy nanao no ireo mitsikera ireo. Asa na noho izy ireo tsy nahavita tamin’izy mbola teo amin’ny fitondrana no anton’izany?... Fomba fiady eo amin’ny pôlitika ihany anefa ny toa izany koa tsy dia mahagaga loatra ê. Na izany aza anefa, na hisy aza ny hihevitra ny hoe fiarovana ny tetezamita izao fanadihadiana izao, dia tsy maintsy lazaina ihany ny hoe fitondrana tsy nisy nanampy fa niankina tamin’ny herin’ny tenany no nahavita ireny ka tokony mba handini-tena, araka ny tenin’ny namana iray izay ihany ny mpitsikera. Ny mivandravandra, kanefa toa tsy “hita” na odian’ny mpitsikera tsy hita, dia ny eo amin’ny fanabeazana ny taranaka fara aman-dimby, izay tena lasa gaboraraka tanteraka. Tsy hivalamparana fa efa firesaka eto matetika ny amin’ny “mpampianatra” tsy nahazo fiofanana; ny efitrano “fianarana” hipoka tanteraka izay tsy hanantenana vokatra, sy ny sisa ihany koa. Mihoatra noho ireo mantsy dia tsy nisy ary tsy misy fanaraha-maso intsony ny amin’ny faritra iorenan’ny sekoly. Tsy mifefy no sady eny amoron’arabe betsaka fiara mifamezivezy, ohatra, ny sasany; ao ny tsy manana tokontany hahafahan’ny mpianatra mivoaka kely maka rivotra, tsy misy na dia paompy hisasana tanana aza; tsy voahaja ny hoe tokony ho firy metatra ny elanelana manasaraka azy amin’ny mpivaro-toaka, sy ny sisa koa ê… Fanabeazana inona no ho azo amin’izany ê? Fanaraham-penitra?... Tamin’ny andron’ny “asa fa tsy kabary” ihany no toa mba nisy an’izany. Aoka àry samy handini-tena vao mitsikera ê.