Maro ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena no tsy nino an’io filazana avy amin’ny mpitandro ny filaminana io. Tsy vitsy ireo nilaza fa “tetika hanomanana ny sain’ny olom-pirenena tsotra iny fanambarana iny fa raha misy olona samborina ato ho ato dia izay no antony, nefa tetika hampihorohoroana ny tsy mitovy hevitra politika amin’ny mpitondra na izay manakiana sy mijoro hanohitra ny fomba fitondrana fanjakana tsy mandeha araka ny tokony ho izy izy iny.”