Tsy dia tadidy loatra ny tena lohateniny marina, saigy mbola tavela tsara ao an-tsaina ny fiverenany manao hoe “Dia mitaky hoe omeo, omeo, omeo… omeo hatrany. Tsy misy hataka andro na hoe famindram-po”. Hiran’ny mpanakanto Bessa tany amin’ny taona 72 tany izy io. Hira izay “nanahirana” ny mpitondra tamin’izany fotoana izany, satria nitsikera sy nampivandravandra ny fomba ratsin’ny mpiasam-panjakana, nanery ny olom-pirenena handoa hetra.