Tsy hita intsony izay hilazana azy, koa ndeha hatao hoe “hafahafa” ny fanehoan-kevitra re amin’izao fotoana izao, eto amintsika eto. Eo anatrehan’ny tsikera ataon’ny olom-pirenena, dia ny mpanao gazety sy ny ao amin’ny sehatra fanaraha-maso, amin’ny mpitondra fanjakana, ohatra, dia misy ny “sahy” mijoro miaro ny olom-boatendry iray faritra niaviana aminy. Toa rariny ihany izany fifampiarovana izany, araka ny maha “mpiray tanindrazana”, kanefa izay tokoa ve no tena tokony ho nataon’ireo “mpiaro” ireo ê?... Tsy eto amintsika ihany fa maneran-tany mihitsy no misy ny tsikera atao amin’ny mpitondra, ary ny mpampahalala vaovao, araka ny maha hery fahefatra, na “4è pouvoir” hoy ny filaza mahazatra azy, no lohalaharana amin’ny fanaovana izany. Tsy hoe noho ny sitra-po na fitiavana hanoso-potaka no anton’izany fa efa ao anatin’ny asa mihitsy ny tsy maintsy hamoahana ny marina ho fanta-bahoaka. “La vérité imprimée” na hoe “ny marina no atonta”, hoy ny tarigetran’ity gazetintsika ity. Marina fa misy ny fiteny manao hoe “ny marina rehetra tsy filaza”, kanefa toa efa mba miezaka ny manao izany ara-pomba fifanajana ihany ny rehetra. Miezaka, hoy izahay, satria mety misy tokoa angamba ny henjankenja-piteny, araka ny hoe “ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay mamarara”, kanefa na izany aza dia mbola tsy nisy, sanatria, nanompa na koa namingavinga olona na ny fiaviany tao anatin’izany filazana ny marina izany. Misy ireo nijoro “niaro” ny mpitondra iray fiaviana aminy ka nanao fanambarana, fampitandremana ho an’ireo mpitsikera ireo. Izay tokoa ve no tokony ho natao, hoy ny fanontaniana. Mipetraka ny fanontaniana satria, raha ny tokony ho izy ve, ary raha tena te hiaro ny “havana” tokoa, tsy tokony ho ireto farany no ho nampitandremana ê?... Niaraha-nahita fa tsy nijanona teo amin’ny mpanao gazety irery intsony ny tsikera fa efa niitatra hatrany amin’ny mpandinika ny fiaraha-monina, dia ny Sefafi, izay toa neken-teny ihany hatramin’izay.