Ny Filohampirenena anefa, raha ny filazany, dia mbola tsy mihevitra mihitsy ny hanisy fanovana ny ekipa miaraka aminy, dia ny ao amin’ny governemanta, na dia betsaka amin’ny mpandinika ny fiainam-pirenena aza no efa mitaky izany. Asa anefa raha horaisina ho fitsikerana be fahatany, na koa ho isan’ny azo anenjehana araka ilay lalàna momba ny “cybercriminalité” koa fa dia tsy maintsy atao ihany ny “fanamarihana” ny hoe sao àry mba nisy tsy tokony ho eo amin’ny toerany àry ireo olona notendrena marobe ireo ê? Sao mba tokony ho notazonina ihany ny efa manana ny traik’efa tamin’ilay asa?... Mipetraka mantsy ny fanontaniana raha mandinika ny hoe firy volana aty aoriana izy ireo no mbola tsy naharafitra ilay tetibolam-panjakana nasiana fanitsiana ihany?... Ilaina maika anefa izy io, satria tsy misy “asa” ho afaka hiainga mihitsy raha tsy io no “tafavoaka”. Tsy hisy tena “fanovana” ho azo tsapain-tanana raha tsy ho araka ny tokony ho “tena izy” sy