#RSS * Home * EDITO * POLITIQUE * SOCIETE * ECONOMIE * GAZETIN' NY NOSY * CULTURE * SPORT Politique [indent1.png] Christine Razanamahasoa : enfin admise dans la salle [indent1.png] La République est pathétique quand elle panique [indent1.png] Agression d’un opérateur à Antsiranana: Plainte contre Johary Houssen Alibay et consorts [indent1.png] VPM/MMM : la scission frappe à la porte [indent1.png] Harison Randriarimanana: Surprend Ravalomanana... [indent1.png] Réconciliation nationale: Vers la création d’une nouvelle République ? [indent1.png] Affaires nationales : les regrets de Kolo Roger [indent1.png] Domicile d’Andry Rajoelina : un échange de tir évité de peu ! [indent1.png] Diplomatie: Où trouver des hommes ? [indent1.png] Nouveau Premier ministre: Collecte de signatures à Tsimbazaza [indent1.png] Réconciliation nationale à Ivato : vers la création d’une nouvelle structure [indent1.png] Pouvoir Rajaonarimampianina: En pleine guerre intestine ! [indent1.png] Gouvernement : encore un Premier ministre français ? [indent1.png] Attalah Béatrice Premier Ministrable: Et si c’etait encore pire ? [indent1.png] Le vrai responsable des actes de déstabilisation AVIS DE DECES Emmo-Far: Toherin’i Toliara ny fanosoram-potaka an’ireo 60 lahy Gasy Lundi, 11 Août 2014 10:09 Niteraka resa-be teo amin’ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena ny fahenoana ny filazan’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny zandary eto anivon’ny Emmo-Far eto Antananarivo ny hoe “misy andian’olona 600 lahy akarina eto Antananarivo hanakorontana, ary ny 60 tamin’ireo dia efa voasambotra, satria nilaza hitady asa eto Antananarivo nefa kalaza no entin’izy ireo”. Maro ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena no tsy nino an’io filazana avy amin’ny mpitandro ny filaminana io. Tsy vitsy ireo nilaza fa “tetika hanomanana ny sain’ny olom-pirenena tsotra iny fanambarana iny fa raha misy olona samborina ato ho ato dia izay no antony, nefa tetika hampihorohoroana ny tsy mitovy hevitra politika amin’ny mpitondra na izay manakiana sy mijoro hanohitra ny fomba fitondrana fanjakana tsy mandeha araka ny tokony ho izy izy iny.” Etsy an-kilany, isan’ireo tsy niandry ela fa nijoro avy hatrany naneho ny heviny tamin’iny raharaha iny ireo raiamandreny sy olo-be avy any Toliara ka nitafa tamin’ny mpanao gazety avy hatrany tao Ankilisoafilira tao Toliara omaly. Nambaran’izy ireo mivantana fa «Izahay raiamandreny sy olo-be avy eto Toliara dia manameloka ny fanosoram-potaka sy fanambaniana atao amin’ny zanak’i Toliara nataon’ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Emmo-reg Analamanga. Izahay tsy adala fa olona tia longo ary mandala fihavanana. Tsy vatan-dehilahy 60 no handeha hanafika sy hanakorontana an’ Antananarivo.» Isan’ny navoitran’ireo nitafa tamin’ny mpanao gazety tamin’ny alalan’i Roberval Jeannot, fa « ny tanjonay dia ny hanatsara ny tanànan’i Toliara, ary ny tsy fandriampahalemana misy eto an-tanàna aza tsy voafehin’ny zanak’i Toliara, ka inona no hahamaika anay ho any Antananarivo ? ». Nanterin’ireto olo-be sy raiamandreny any Toliara ny fanoherany ny tetika haminganana ny dingana ho amin’ny fampihavanam-pirenena”. Nomarihin’izy ireo koa ny tsy tokony hitsabahan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny andraikitry ny mpanao politika. « Mitory tsy finiavana hanaja ny tany tan-dalàna dradradradraina isanandro izany », hoy ity mpitarika ny Toliara Mijoro ity. Etsy anoloan’izany dia takian’ireto olo-be any Toliara, tamin’ny alalan’i Fotsy, amin’ny fitondram-panjakana ny hanehoana ny marina amin’ny alalan’ny mangarahara sy ny porofo ho hitam-poko ho fanta-pirenena momba ireo 60 lahy voasambotra lazaina fa zanak’i Toliara, ka izany dia mba hialana amin’ny fanosoram-potaka atao litania amin’ny haino aman-jery. Eo anatrehan’ny fivoaran’ny fiainam-pirenena misy amin’izao fotoana dia naneho ny heviny sy ny fahitany ny zava-misy koa ireto raiaman-dreny sy olo-be any Toliara ka nilaza fa « tsy nisy tanteraka ny toky sy fampanantenana nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fianianany. Kabary ambony vavahady sy ronono an-tavo ary fampiesonana no betsaka sy mahazo laka hatramin’izao ». Tsy nohadinoin’ireto olo-be any Toliara ny nanipika fa “firenena iaraha-manana i Madagasikara ka tsy azo ekena raha ny tsy fahaizan’ny mpitondra mitantana no hiteraka fihomboan’ny fahantrana sy fahavoazan’ny vahoaka manerana an’i Madagasikara.” Efa ela nijaliana ny vahoaka, indrindra fa izahay aty amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, hoy ihany ny ako avy any Toliara, ka tsy afaka handefitra amin’izay fitavozavozana sy tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra izahay. Marihina fa izao indray vao mba nisy fanehoan-kevitra ara-politika tany Toliara. Ndrema ECONOMIE * Exploration pétrolière: Un choix cornélien entre or noir et biodiversité * Echanges extérieurs: Quid de leur évolution ? * Mobile money: En plein boom en cette période * Gouvernement Kolo Roger: La plus impopulaire des institutions * Entretien des routes nationales: Seules 50% des ressources y sont consacrées ! SPORT * Comité Olympique Malagasy – Fin de mandat de Siteny: C’est ce dimanche * Football - Ballon d'Or: Ronaldo sacré * Dakar - Motos: Coma prend la tête * En bref: Le Mondial engraisse les clubs * Ligue des champions de la CAF ; Gor Mahia – CNaPS Sport: Frank Nuttall à la recherche des vidéos des Malgaches