Resaky ny mpanara-baovao rehetra nandritra iny faran’ny herinandro iny ny fanambarana navoakan’ireo mpikambana ao amin’ny Sefafi, na ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena, izay tsorina fa fitsikerana henjana dia henjana ny nataon’ny mpitondra nandritra izay enimbolana naha teo amin’ny toerana an-dry zareo izay. Henjana dia henjana ny nahitana ny fitsikerana, na ny fanakianana, kanefa rehefa nodinihina dia saika ny efa nolazain’ny mpanao gazety teto an-toerana ihany ireo nolazaina sy nohamafisin’ny Sefafi ireo. Tsaroan’ny rehetra anefa ny “fanakianana”, mba tsy hilazana ny hoe “fanenjehana”, nataon’ireo mpitondra ny mpanao gazety, raha nilaza ireo “tsy fahombiazana” ireto farany. Izany indrindra no mampametra-panontaniana hoe hatao ahoana indray àry izany io Sefafi io ê?... Hatao ahana io Sefafi io?... “Sarotra ny fandidiana”, hoy ny fitenenana. Sarotra tokoa ny fandidiana ho an’ny mpitondra fanjakana, satria… hatao ahoana moa no hitsipaka na hanakiana ireo zava-boalaza izay hita fa marina dia marina ireo ê? Mbola sarotra mihoatra izay koa aza ny mety hanasoketana an’io fikambanana io, raha izay no hoheverina hanadiovan-tena, satria iarahan’ny rehetra mahalala fa naka olona roa avy amin’io, notendreny ho minisitra io governemanta amin’izao fotoana izao io. Tsy hita intsony izay hilazana azy, koa ndeha hatao hoe “hafahafa” ny fanehoan-kevitra re amin’izao fotoana izao, eto amintsika eto. Eo anatrehan’ny tsikera ataon’ny olom-pirenena, dia ny mpanao gazety sy ny ao amin’ny sehatra fanaraha-maso, amin’ny mpitondra fanjakana, ohatra, dia misy ny “sahy” mijoro miaro ny olom-boatendry iray faritra niaviana aminy. Toa rariny ihany izany fifampiarovana izany, araka ny maha “mpiray tanindrazana”, kanefa izay tokoa ve no tena tokony ho nataon’ireo “mpiaro” ireo ê?... Tsy eto amintsika ihany fa maneran-tany mihitsy no misy ny tsikera atao amin’ny mpitondra, ary ny mpampahalala vaovao, araka ny maha hery fahefatra, na “4è pouvoir” hoy ny filaza mahazatra azy, no lohalaharana amin’ny fanaovana izany. Tsy hoe noho ny sitra-po na fitiavana hanoso-potaka no anton’izany fa efa ao anatin’ny asa mihitsy ny tsy maintsy hamoahana ny marina ho fanta-bahoaka. “La vérité imprimée” na hoe “ny marina no atonta”, hoy ny tarigetran’ity gazetintsika ity. Marina fa misy ny fiteny manao hoe “ny marina rehetra tsy filaza”, kanefa toa efa mba miezaka ny manao izany ara-pomba fifanajana ihany ny rehetra. Miezaka, hoy izahay, satria mety misy tokoa angamba ny henjankenja-piteny, araka ny hoe “ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay mamarara”, kanefa na izany aza dia mbola tsy nisy, sanatria, nanompa na koa namingavinga olona na ny fiaviany tao anatin’izany filazana ny marina izany. Misy ireo nijoro “niaro” ny mpitondra iray fiaviana aminy ka nanao fanambarana, fampitandremana ho an’ireo mpitsikera ireo. Izay tokoa ve no tokony ho natao, hoy ny fanontaniana. Mipetraka ny fanontaniana satria, raha ny tokony ho izy ve, ary raha tena te hiaro ny “havana” tokoa, tsy tokony ho ireto farany no ho nampitandremana ê?... Niaraha-nahita fa tsy nijanona teo amin’ny mpanao gazety irery intsony ny tsikera fa efa niitatra hatrany amin’ny mpandinika ny fiaraha-monina, dia ny Sefafi, izay toa neken-teny ihany hatramin’izay. Ny Filohampirenena anefa, raha ny filazany, dia mbola tsy mihevitra mihitsy ny hanisy fanovana ny ekipa miaraka aminy, dia ny ao amin’ny governemanta, na dia betsaka amin’ny mpandinika ny fiainam-pirenena aza no efa mitaky izany. Asa anefa raha horaisina ho fitsikerana be fahatany, na koa ho isan’ny azo anenjehana araka ilay lalàna momba ny “cybercriminalité” koa fa dia tsy maintsy atao ihany ny “fanamarihana” ny hoe sao àry mba nisy tsy tokony ho eo amin’ny toerany àry ireo olona notendrena marobe ireo ê? Sao mba tokony ho notazonina ihany ny efa manana ny traik’efa tamin’ilay asa?... Mipetraka mantsy ny fanontaniana raha mandinika ny hoe firy volana aty aoriana izy ireo no mbola tsy naharafitra ilay tetibolam-panjakana nasiana fanitsiana ihany?... Ilaina maika anefa izy io, satria tsy misy “asa” ho afaka hiainga mihitsy raha tsy io no “tafavoaka”. Tsy hisy tena “fanovana” ho azo tsapain-tanana raha tsy ho araka ny tokony ho “tena izy” sy no nameno ity toerana ity. Nisy ny mpiasan’ ny fitsarana izay tafaresaka taminay no nitaraina fa karazana fanerena ankolaka ihany no natao tamin’izy ireo hanatrika ity fivoriana ity satria dia natao amin’ny anarana manokana ny fanasana. Toa izany koa ny tale sy ny sampandraharaha maro tonga teo. Nilaza izy ireo fa nasaina ka tsy maintsy tonga satria ny antokon’ny filohampirenena no miantso ka sao misy fiantraikany amin’ny asa sy ny toerana. Raha ny voalazan’ireo olona izay tafaresaka taminay dia efa manana ny antoko misy azy avokoa ireo mpivory ireo nefa dia mety hisy ny fivadihana satria ny HVM hoy izy ireo dia antokon’ny filoha sy ny mpitondra ka hanahirana ity raharaha ity. Fanontanina mipetraka tokoa ny haha antoko matanjaka ity HVM ity satria dia efa mizarazara amin’ny antoko maro ny olona. Loabary an-dasy no nifanaovana tamin’ny vahoaka tonga nanatrika mahakasika ny fitondram-panjakana sy ny momba ny antoko. Maro ny tsikera azon’ity antoko HVM ity tamin’izany, nefa dia nambaran’ny filohany fa ilaina izany ary mahazaka tsikera izy ireo. Milaza moa ry zareo ireto fa ny hahazoana ben’ny tanàna maro no tanjona mba hahamafy orina ny fitondrana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Efa tafatsangana koa hoy izy ny vondrona parlemantera ao amin’ny antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Marihina fa tsy manana depiote voafidy izy ireo tamin’iny fifidianana iny nefa dia izao manana vondrona parlemantera izao indray hono. Mahagaga e! Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny anaran’ny Tale jeneraly vaovaon’ny Bianco ka mpitsara no notendren’ny filohampirenena hisolo ny jeneralin’ny zandarimaria, teo amin’ny toerana teo aloha. Betsaka, araka izany, ny resaka mandeha, ary dia efa misy sahady no “sahy” mitsikera an’io fanendrena io. Tsy tokony ho olona avy ao amin’ny Fitsarana, hono, no napetraka eo amin’io toerana io, satria ny Fitsarana dia anisan’ny voalohan-daharana amin’ireo sampan-draharaha anjakan’ny kolikoly. Ny voamariky ny mpanaraka ny raharaham-pirenena anefa dia ny hoe ny tsy nanao no ireo mitsikera ireo. Asa na noho izy ireo tsy nahavita tamin’izy mbola teo amin’ny fitondrana no anton’izany?... Fomba fiady eo amin’ny pôlitika ihany anefa ny toa izany koa tsy dia mahagaga loatra ê. Na izany aza anefa, na hisy aza ny hihevitra ny hoe fiarovana ny tetezamita izao fanadihadiana izao, dia tsy maintsy lazaina ihany ny hoe fitondrana tsy nisy nanampy fa niankina tamin’ny herin’ny tenany no nahavita ireny ka tokony mba handini-tena, araka ny tenin’ny namana iray izay ihany ny mpitsikera. Ny mivandravandra, kanefa toa tsy “hita” na odian’ny mpitsikera tsy hita, dia ny eo amin’ny fanabeazana ny taranaka fara aman-dimby, izay tena lasa gaboraraka tanteraka. Tsy hivalamparana fa efa firesaka eto matetika ny amin’ny “mpampianatra” tsy nahazo fiofanana; ny efitrano “fianarana” hipoka tanteraka izay tsy hanantenana vokatra, sy ny sisa ihany koa. Mihoatra noho ireo mantsy dia tsy nisy ary tsy misy fanaraha-maso intsony ny amin’ny faritra iorenan’ny sekoly. Tsy mifefy no sady eny amoron’arabe betsaka fiara mifamezivezy, ohatra, ny sasany; ao ny tsy manana tokontany hahafahan’ny mpianatra mivoaka kely maka rivotra, tsy misy na dia paompy hisasana tanana aza; tsy voahaja ny hoe tokony ho firy metatra ny elanelana manasaraka azy amin’ny mpivaro-toaka, sy ny sisa koa ê… Fanabeazana inona no ho azo amin’izany ê? Fanaraham-penitra?... Tamin’ny andron’ny “asa fa tsy kabary” ihany no toa mba nisy an’izany. Aoka àry samy handini-tena vao mitsikera ê. Maro ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena no tsy nino an’io filazana avy amin’ny mpitandro ny filaminana io. Tsy vitsy ireo nilaza fa “tetika hanomanana ny sain’ny olom-pirenena tsotra iny fanambarana iny fa raha misy olona samborina ato ho ato dia izay no antony, nefa tetika hampihorohoroana ny tsy mitovy hevitra politika amin’ny mpitondra na izay manakiana sy mijoro hanohitra ny fomba fitondrana fanjakana tsy mandeha araka ny tokony ho izy izy iny.” Tsy dia tadidy loatra ny tena lohateniny marina, saigy mbola tavela tsara ao an-tsaina ny fiverenany manao hoe “Dia mitaky hoe omeo, omeo, omeo… omeo hatrany. Tsy misy hataka andro na hoe famindram-po”. Hiran’ny mpanakanto Bessa tany amin’ny taona 72 tany izy io. Hira izay “nanahirana” ny mpitondra tamin’izany fotoana izany, satria nitsikera sy nampivandravandra ny fomba ratsin’ny mpiasam-panjakana, nanery ny olom-pirenena handoa hetra. Entrée [flag_mg.png] fitsikerana (tsikera) Entrée [flag_mg.png] fitsikerana (tsikera) Définition malgache Fanaratsarahana, fivoasana: Fitsikera [...] [texte complet dans Rajemisa: Rakibolana] Traduction française Critique, analyse [Rajaonarimanana 1995] se Assises association associations Ataoko Akory Atsimo Atsimo Andrefana attestations attraction touristique AUF Avant-Vente Avarabohitra Avaradoha avenir AVG award 2014 Aza Ivakiana Loha Aza Miasa Loha Azalées B'Hey B.C Anosy bacheliers Bagdad Bagdad 67Ha Bakalorea Bakalorea 2014 Balita Ban-Ki Moon banky Banque Centrale de Madagascar Banque Mondiale Baolina kitra Bara Barea U18 bas prix basket-ball basketteurs basy Basy Raozy bâtiments Bazar sans frontières Befelatanana Bel Avenir Belobaka Bemasoandro Itaosy bénévolat Ben’ny Tanana Besarety Betampona Betioky Betou & Odyai - Kivy... Betroka Betsiboka Bevomanga Bianco bibliothèques BICM Big MJ bijouterie bika billets d’avion biodiversité Birao Maharitra Black Nadia Blocage BNGRC BNM Bodo Boeny bois de rose Bokim-panjakana Bolo bonne gouvernance Bonsaï boriborintany boriboritany boriboritany faharo Resaky ny mpanara-baovao rehetra nandritra iny faran’ny herinandro iny ny fanambarana navoakan’ireo mpikambana ao amin’ny Sefafi, na ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena, izay tsorina fa fitsikerana henjana dia henjana ny nataon’ny mpitondra nandritra izay enimbolana naha teo amin’ny toerana an-dry zareo izay. Henjana dia henjana ny nahitana ny fitsikerana, na ny fanakianana, kanefa rehefa nodinihina dia saika ny efa nolazain’ny mpanao gazety teto an-toerana ihany ireo nolazaina sy nohamafisin’ny Sefafi ireo. Tsaroan’ny rehetra anefa ny “fanakianana”, mba tsy hilazana ny hoe “fanenjehana”, nataon’ireo mpitondra ny mpanao gazety, raha nilaza ireo “tsy fahombiazana” ireto farany. Izany indrindra no mampametra-panontaniana hoe hatao ahoana indray àry izany io Sefafi io ê?... Hatao ahana io Sefafi io?... “Sarotra ny fandidiana”, hoy ny fitenenana. Sarotra tokoa ny fandidiana ho an’ny mpitondra fanjakana, satria… hatao ahoana moa no hitsipaka na hanakiana ireo zava-boalaza izay hita fa marina dia marina ireo ê? Mbola sarotra mihoatra izay koa aza ny mety hanasoketana an’io fikambanana io, raha izay no hoheverina hanadiovan-tena, satria iarahan’ny rehetra mahalala fa naka olona roa avy amin’io, notendreny ho minisitra io governemanta amin’izao fotoana izao io. Tsy hita intsony izay hilazana azy, koa ndeha hatao hoe “hafahafa” ny fanehoan-kevitra re amin’izao fotoana izao, eto amintsika eto. Eo anatrehan’ny tsikera ataon’ny olom-pirenena, dia ny mpanao gazety sy ny ao amin’ny sehatra fanaraha-maso, amin’ny mpitondra fanjakana, ohatra, dia misy ny “sahy” mijoro miaro ny olom-boatendry iray faritra niaviana aminy. Toa rariny ihany izany fifampiarovana izany, araka ny maha “mpiray tanindrazana”, kanefa izay tokoa ve no tena tokony ho nataon’ireo “mpiaro” ireo ê?... Tsy eto amintsika ihany fa maneran-tany mihitsy no misy ny tsikera atao amin’ny mpitondra, ary ny mpampahalala vaovao, araka ny maha hery fahefatra, na “4è pouvoir” hoy ny filaza mahazatra azy, no lohalaharana amin’ny fanaovana izany. Tsy hoe noho ny sitra-po na fitiavana hanoso-potaka no anton’izany fa efa ao anatin’ny asa mihitsy ny tsy maintsy hamoahana ny marina ho fanta-bahoaka. “La vérité imprimée” na hoe “ny marina no atonta”, hoy ny tarigetran’ity gazetintsika ity. Marina fa misy ny fiteny manao hoe “ny marina rehetra tsy filaza”, kanefa toa efa mba miezaka ny manao izany ara-pomba fifanajana ihany ny rehetra. Miezaka, hoy izahay, satria mety misy tokoa angamba ny henjankenja-piteny, araka ny hoe “ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay mamarara”, kanefa na izany aza dia mbola tsy nisy, sanatria, nanompa na koa namingavinga olona na ny fiaviany tao anatin’izany filazana ny marina izany. Misy ireo nijoro “niaro” ny mpitondra iray fiaviana aminy ka nanao fanambarana, fampitandremana ho an’ireo mpitsikera ireo. Izay tokoa ve no tokony ho natao, hoy ny fanontaniana. Mipetraka ny fanontaniana satria, raha ny tokony ho izy ve, ary raha tena te hiaro ny “havana” tokoa, tsy tokony ho ireto farany no ho nampitandremana ê?... Niaraha-nahita fa tsy nijanona teo amin’ny mpanao gazety irery intsony ny tsikera fa efa niitatra hatrany amin’ny mpandinika ny fiaraha-monina, dia ny Sefafi, izay toa neken-teny ihany hatramin’izay. Ny Filohampirenena anefa, raha ny filazany, dia mbola tsy mihevitra mihitsy ny hanisy fanovana ny ekipa miaraka aminy, dia ny ao amin’ny governemanta, na dia betsaka amin’ny mpandinika ny fiainam-pirenena aza no efa mitaky izany. Asa anefa raha horaisina ho fitsikerana be fahatany, na koa ho isan’ny azo anenjehana araka ilay lalàna momba ny “cybercriminalité” koa fa dia tsy maintsy atao ihany ny “fanamarihana” ny hoe sao àry mba nisy tsy tokony ho eo amin’ny toerany àry ireo olona notendrena marobe ireo ê? Sao mba tokony ho notazonina ihany ny efa manana ny traik’efa tamin’ilay asa?... Mipetraka mantsy ny fanontaniana raha mandinika ny hoe firy volana aty aoriana izy ireo no mbola tsy naharafitra ilay tetibolam-panjakana nasiana fanitsiana ihany?... Ilaina maika anefa izy io, satria tsy misy “asa” ho afaka hiainga mihitsy raha tsy io no “tafavoaka”. Tsy hisy tena “fanovana” ho azo tsapain-tanana raha tsy ho araka ny tokony ho “tena izy” sy no nameno ity toerana ity. Nisy ny mpiasan’ ny fitsarana izay tafaresaka taminay no nitaraina fa karazana fanerena ankolaka ihany no natao tamin’izy ireo hanatrika ity fivoriana ity satria dia natao amin’ny anarana manokana ny fanasana. Toa izany koa ny tale sy ny sampandraharaha maro tonga teo. Nilaza izy ireo fa nasaina ka tsy maintsy tonga satria ny antokon’ny filohampirenena no miantso ka sao misy fiantraikany amin’ny asa sy ny toerana. Raha ny voalazan’ireo olona izay tafaresaka taminay dia efa manana ny antoko misy azy avokoa ireo mpivory ireo nefa dia mety hisy ny fivadihana satria ny HVM hoy izy ireo dia antokon’ny filoha sy ny mpitondra ka hanahirana ity raharaha ity. Fanontanina mipetraka tokoa ny haha antoko matanjaka ity HVM ity satria dia efa mizarazara amin’ny antoko maro ny olona. Loabary an-dasy no nifanaovana tamin’ny vahoaka tonga nanatrika mahakasika ny fitondram-panjakana sy ny momba ny antoko. Maro ny tsikera azon’ity antoko HVM ity tamin’izany, nefa dia nambaran’ny filohany fa ilaina izany ary mahazaka tsikera izy ireo. Milaza moa ry zareo ireto fa ny hahazoana ben’ny tanàna maro no tanjona mba hahamafy orina ny fitondrana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Efa tafatsangana koa hoy izy ny vondrona parlemantera ao amin’ny antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Marihina fa tsy manana depiote voafidy izy ireo tamin’iny fifidianana iny nefa dia izao manana vondrona parlemantera izao indray hono. Mahagaga e! Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny anaran’ny Tale jeneraly vaovaon’ny Bianco ka mpitsara no notendren’ny filohampirenena hisolo ny jeneralin’ny zandarimaria, teo amin’ny toerana teo aloha. Betsaka, araka izany, ny resaka mandeha, ary dia efa misy sahady no “sahy” mitsikera an’io fanendrena io. Tsy tokony ho olona avy ao amin’ny Fitsarana, hono, no napetraka eo amin’io toerana io, satria ny Fitsarana dia anisan’ny voalohan-daharana amin’ireo sampan-draharaha anjakan’ny kolikoly. Ny voamariky ny mpanaraka ny raharaham-pirenena anefa dia ny hoe ny tsy nanao no ireo mitsikera ireo. Asa na noho izy ireo tsy nahavita tamin’izy mbola teo amin’ny fitondrana no anton’izany?... Fomba fiady eo amin’ny pôlitika ihany anefa ny toa izany koa tsy dia mahagaga loatra ê. Na izany aza anefa, na hisy aza ny hihevitra ny hoe fiarovana ny tetezamita izao fanadihadiana izao, dia tsy maintsy lazaina ihany ny hoe fitondrana tsy nisy nanampy fa niankina tamin’ny herin’ny tenany no nahavita ireny ka tokony mba handini-tena, araka ny tenin’ny namana iray izay ihany ny mpitsikera. Ny mivandravandra, kanefa toa tsy “hita” na odian’ny mpitsikera tsy hita, dia ny eo amin’ny fanabeazana ny taranaka fara aman-dimby, izay tena lasa gaboraraka tanteraka. Tsy hivalamparana fa efa firesaka eto matetika ny amin’ny “mpampianatra” tsy nahazo fiofanana; ny efitrano “fianarana” hipoka tanteraka izay tsy hanantenana vokatra, sy ny sisa ihany koa. Mihoatra noho ireo mantsy dia tsy nisy ary tsy misy fanaraha-maso intsony ny amin’ny faritra iorenan’ny sekoly. Tsy mifefy no sady eny amoron’arabe betsaka fiara mifamezivezy, ohatra, ny sasany; ao ny tsy manana tokontany hahafahan’ny mpianatra mivoaka kely maka rivotra, tsy misy na dia paompy hisasana tanana aza; tsy voahaja ny hoe tokony ho firy metatra ny elanelana manasaraka azy amin’ny mpivaro-toaka, sy ny sisa koa ê… Fanabeazana inona no ho azo amin’izany ê? Fanaraham-penitra?... Tamin’ny andron’ny “asa fa tsy kabary” ihany no toa mba nisy an’izany. Aoka àry samy handini-tena vao mitsikera ê. Maro ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena no tsy nino an’io filazana avy amin’ny mpitandro ny filaminana io. Tsy vitsy ireo nilaza fa “tetika hanomanana ny sain’ny olom-pirenena tsotra iny fanambarana iny fa raha misy olona samborina ato ho ato dia izay no antony, nefa tetika hampihorohoroana ny tsy mitovy hevitra politika amin’ny mpitondra na izay manakiana sy mijoro hanohitra ny fomba fitondrana fanjakana tsy mandeha araka ny tokony ho izy izy iny.” Tsy dia tadidy loatra ny tena lohateniny marina, saigy mbola tavela tsara ao an-tsaina ny fiverenany manao hoe “Dia mitaky hoe omeo, omeo, omeo… omeo hatrany. Tsy misy hataka andro na hoe famindram-po”. Hiran’ny mpanakanto Bessa tany amin’ny taona 72 tany izy io. Hira izay “nanahirana” ny mpitondra tamin’izany fotoana izany, satria nitsikera sy nampivandravandra ny fomba ratsin’ny mpiasam-panjakana, nanery ny olom-pirenena handoa hetra. Entrée [flag_mg.png] fitsikerana (tsikera) Entrée [flag_mg.png] fitsikerana (tsikera) Définition malgache Fanaratsarahana, fivoasana: Fitsikera [...] [texte complet dans Rajemisa: Rakibolana] Traduction française Critique, analyse [Rajaonarimanana 1995] se Assises association associations Ataoko Akory Atsimo Atsimo Andrefana attestations attraction touristique AUF Avant-Vente Avarabohitra Avaradoha avenir AVG award 2014 Aza Ivakiana Loha Aza Miasa Loha Azalées B'Hey B.C Anosy bacheliers Bagdad Bagdad 67Ha Bakalorea Bakalorea 2014 Balita Ban-Ki Moon banky Banque Centrale de Madagascar Banque Mondiale Baolina kitra Bara Barea U18 bas prix basket-ball basketteurs basy Basy Raozy bâtiments Bazar sans frontières Befelatanana Bel Avenir Belobaka Bemasoandro Itaosy bénévolat Ben’ny Tanana Besarety Betampona Betioky Betou & Odyai - Kivy... Betroka Betsiboka Bevomanga Bianco bibliothèques BICM Big MJ bijouterie bika billets d’avion biodiversité Birao Maharitra Black Nadia Blocage BNGRC BNM Bodo Boeny bois de rose Bokim-panjakana Bolo bonne gouvernance Bonsaï boriborintany boriboritany boriboritany faharo