Resaky ny mpanara-baovao rehetra nandritra iny faran’ny herinandro iny ny fanambarana navoakan’ireo mpikambana ao amin’ny Sefafi,
na ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena, izay tsorina fa fitsikerana henjana dia henjana ny nataon’ny mpitondra nandritra izay enimbolana naha teo amin’ny toerana an-dry zareo izay. Henjana dia henjana ny nahitana ny fitsikerana, na ny fanakianana, kanefa rehefa nodinihina dia saika ny efa nolazain’ny mpanao gazety teto an-toerana ihany ireo nolazaina sy nohamafisin’ny Sefafi ireo. Tsaroan’ny rehetra anefa ny “fanakianana”, mba tsy hilazana ny hoe “fanenjehana”, nataon’ireo mpitondra ny mpanao gazety, raha nilaza ireo “tsy fahombiazana” ireto farany. Izany indrindra no mampametra-panontaniana hoe hatao ahoana indray àry izany io Sefafi io ê?... Mipetraka tokoa ny fanontaniana, satria raha ny marina dia anisany, raha tsy ny voalohany, neken’ny rehetra, na ny teto an-toerana, na koa ny any ivelany ho manana fijery “mahitsy” io fikambanana mpandinika ny raharaham-pirenena io. Raha haravona anefa ny zava-boalazan’ilay fanambarana dia azo lazaina amin’ilay fitenenana hoe “ts’isy raha nanjary” ny nataon’ny mpitondra ny Repoblika fahefatra hatramin’izay naha teo amin’ny toerana azy ireo izay; ary tamin’ny antsipiriany mihitsy no namborahan-dry zareo izany, miohatra amin’ny nataon’ny mpanao gazety. Hitan’ny Sefafi, ohatra, na mbola tsy nambaran’ny mpampahalala vaovao aza, ny “nanafoanan”’ny televiziônim-panjakana ny “revue de presse”, na ny fandefasana ny “feon-gazety”, izay mba nahafahan’ny any amin’ny faritra nahalala ny “zavatra resahina” aty an-drenivohitra aty. Hatao ahana io Sefafi io?... “Sarotra ny fandidiana”, hoy ny fitenenana. Sarotra tokoa ny fandidiana ho an’ny mpitondra fanjakana, satria… hatao ahoana moa no hitsipaka na hanakiana ireo zava-boalaza izay hita fa marina dia marina ireo ê? Mbola sarotra mihoatra izay koa aza ny mety hanasoketana an’io fikambanana io, raha izay no hoheverina hanadiovan-tena, satria iarahan’ny rehetra mahalala fa naka olona roa avy amin’io, notendreny ho minisitra io governemanta amin’izao fotoana izao io. Manjary “olana” vaovao ho an’ny mpitondra ny Repoblika fahefatra indray izany izao ny Sefafi. “Olana”, satria mitovy fijery amin’ny mpanao gazety, saingy sarotra ny “hikitikitika” azy. Efa “olana” ka nanaovana resa-be nandritra ny ora telo tany amin’ny filakevitry ny mpitondra ambony ny fomba fijery sy ny navoakan’ny mpanao gazety. “Olana” hafa mihoatra an’io indray ity ny Sefafi?... Hatao ahoana izy àry io? Asa ?… Fanontaniana ihany no apetraka sao hanahirana… Lalou |